Actualités

Famonjena ny traboina Manao antso avo i Dr Jean Louis Robinson


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

« Ajanony ny adilahy politika fa aoka aloha ny fahoriam-bahoaka no hojerena » Io no antso avo nataon’i Dokotera Jean Louis Robinson, filoha nasionalin’ny antoko Avana (Ny Vahoaka Aloha No Andrianina) omaly raha nitsidika ny vahoaka teny amin’ny kaominina

ambanivohitr’Antanety Ambohijoky izy omaly. Ankoatra ny antso vonjy nataony tamin’ny  fianakaviambe iraisam-pirenena  dia nanentana ny mpiray tanindrazana izay afaka manome tanana ihany koa ity kandida nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ity. Antso izay niantefa tamin’ny fikambanana ara-politika na tsia ho famonjena ny mpiray tanindrazana. « Fotoana fanambarana ny hery izao ka entanina avokoa ny namana rehetra handray anjara », hoy hatrany ny filohan’ny antoko Avana raha nitsidika ny kaominin’Antanety – Atsimondrano izy.Mikasika ny fiainan’ny antoko indray dia fantatra fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra izay hiseho ny antoko Avana ka ho fanomanana ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina dia hikarakara  fivoriana  lehibe ny antoko amin’ity voalohandohan’ity volana martsa ity.


Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT