Actualités

Famokarana herinaratra ao Ambohipihaonana 20 MW hamatsy faritra efatra


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Faritra efatra dia Antananarivo, Antsirabe, Itasy ary Moramanga no hahazo tombony amin’ny fahavitan’ilay toeram-pamokarana herinaratra lehibe amin’ny alalan’ny masoandro natsangana ao Ambohipihaonana Ambatolampy izay notokanana ny sabotsy 23 jona lasa teo.

Mahavokatra herinaratra 20 MW, mitoetra amina velaran-tany 33 Ha izy ity, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa tsy miankina Green Yellow sy ny fanjakana Malagasy. Tombanana ho tokantrano 50 000 no hahazo herinaratra avy aminy. Tonga tany an-toerana nitarika ny lanonam-pitokanana ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nanamarika fa zava-dehibe ny fahavitan’izao fotodrafitrasa famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro anisan’ny goavana indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina sy ny faritra atsimon’i Afrika izao, ary mariky ny fiampitan’i Madagasikara tsimoramora amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. 480 ariary isaky ny kw ny saram-pamokarana ho an’ity ao Ambohipihaonana ity. Azo heverina hoe mora kokoa noho ny angovo azo avy amin’ny fampiasana gazoala izay tena mamono antoka ny Jirama satria manodidina ny 1000 ariary isaky ny kw no saram-pamokarana kanefa amidin’ny Jirama 640 ariary amin’ny mpanjifa, izany hoe misy fatiantoka 360 ariary isaky ny kwh. Tena tsy mety ary tsy rariny, hoy i Hery Rajaonarimampianina ka tsy maintsy irosoana amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro na avy amin’ny rian-drano. Fantatra ihany koa fa efa mandeha tsara ny fanamboarana ny tohadrano lehibe eny Farahantsana Mahitsy ary efa miroso ny fanadihadiana amin’ny fananganana ny any Sahofika (Ranomafana) sy ny any Antetezambao. Toerana 45 manerana an’i Madagasikara no ezahana ametrahana toeram-pamorakarana herinaratra mampivady ny fampiasana rian-drano sy ny herin’ny masoandro. Ny 15%-n’ny Malagasy ihany aloha hatramin’izao no misitraka herinaratra.Nanentana ny rehetra mba hahay hikajy ny foto-drafitrasa goavana tahaka ity ao Ambohimpihaonana Ambatolampy ity moa ny filoham-pirenena.

Marigny A sy RTT

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT