Maharitra hatrany amin’ny 30 taona ny famokarana «éthanol» eto Madagaskara, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena. Raha tena mitombina io fe-potoana nolazain’ireo manampahaizana ao amin’ity rafitra mpamatsy vola manerantany ity dia hisy akony avy hatrany amin’ny fiainan-tokantranon’ny Malagasy manodidina ny 1 tapitrisa na olona 5 tapitrisa ity vokatra azo avy amin’ny voly fary eto Madagasikara ity. Vinavinaina hamorona asa hatrany amin’ny 8 hetsy mahery any ho any ny fahatanterahan’ny tetikasa araka ny tokony ho izy. Miteraka tombontsoa hafa ihany koa ny fambolem-pary manome ny vokatra «éthanol». Anisan’izany ny fiarovana ireo velaran-tany hatrany amin’ny 10% ahitana ala eto an-toerana. Raha ny fanandramana natao taona vitsy lasa izay moa dia azo ampiasaina ho solon’ny solika mampandeha fiarakodia ny «éthanol». Ho mora lavitra ny vidiny izay hampilamina ny sehatry ny fitaterana eto Madagasikara satria firenena mpamokatra fary i Madagasikara. Efa namoaka lalàna manome alalana ny hamokarana sy hivarotana ity vokatra ity ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana 22 janoary 2014.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.