Actualités

Famohana an’Antsahamanitra Amin’ny 19 janoary no hivoaka ny didy


  • Zoma 14 Janoary 2011

Nandeha fitsarana ady maika omaly tao Anosy ilay raharaha fangatahana ny hamohana an’Antsahamanitra.

Amin’ny 19 janoary izao no hivoaka ny didy raha araka ny nambaran’ny mpitsara. Nandritry ny adihevitra dia anisan’ny noborahin’ireo mpitia fanatanjahantena izay nametraka ny fitoriany ny tsy mba nampahafantarana azy ireo akory ny antony nanidina an’Antsahamanitra, na koa ny tsy mba nisian’ny taratasy manamarina ny fikatonany. Tonga dia nohidina tsotra izao fotsiny ilay toerana ary tsy novohaina intsony noho ny antony tsy fantatray, hoy izy ireo.

Mangataka ny hamohana an’Antsahamanitra ireo mpanao fanatanjahantena maro sy olon’ny kolontsaina izay maro ny mivelona amin’io toerana io ary koa tsy mitsahatry ny manolokolo azy. Raha hiverenana dia nisy olom-piangonana izay nivarotra tamin’ny ministra taloha io tany misy kianja io tamin’ny taona 1997. 2009, folo taona mahery aty aoriana dia navoakan’ilay nividy ny taratasy manamarina fa azy ny tany. Nangataka ny hanidiana azy io izy ary dia nitsahatra ny hetsika rehetra izay manodina an’Antsahamanitra. Raha ny marina anefa dia tanim-piangonana io tany io nefa dia nisy nivarotra. Mbola ady hafa eny amin’ny tribonaly koa io raharaha io saingy ny amin’ny 19 janoary izao dia ny didy mahakasika ny hamohana vonjimaika na tsia an’Antsahamanitra aloha no hivoaka eo. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT