Actualités

Faminaniana samihafa Sao dia famitaham-bahoaka sy fanasana atidoha ?


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Nisy resaka faminaniana sy fahitana foana teo amin’ny tantaram-pirenen’i Madagasikara. Saika nisy foana ny hoe fisehoan’i jesoa kristy, fisehoan’i Masina Maria…

Anisan’ireny ny tany amin’ny taona 1941 dia ny ambara hoe fisehoan’i Kristy tamin’i Nenilava na Volahavana Germaine, izay voalaza fa tamin’ny fomba nahagaga no nandreseny ny asan’ny devoly nitoetra tao amin’ny zana-badiny. Ny taona 1989 no nanomboka nipetraka teo amin’ny tantara ny lazan’i Vicrtoire Rasoamanarivo izay nambara fa nametraka ho ambony indrindra  ny finoana krisitianina, ka nametrahana ny taolambaolony teny amin’ny katedraly Andohalo.  Tsy ireo ihany fa maro ireo ambara fa fisehoan’ny fanahy masina tamina olona iray, toa an-dRaPatrice tao Anosivolakely ny taona 1990, ka lasa toerana fanaovana fivahinianana masina mihitsy ny nisy azy. Sao sanatria nampiasaina namitaham-bahoaka na nanasana atidoha azy mba hanekeny foto-kevitra iray fotsiny ireny fa tsy tena Fivavahana ny ankamaroany ? Toa vao mainka niha nahantra sy nikorontana aza mantsy ny firenena. Raha ny tao Anosivolakely, ohatra, dia ny  teo anivon’ny fiangonana katolika mihitsy taty aoriana no nanome didy sy baiko ny tsy handehanan’ny mpino katolika nankany intsony. Inona no tena antony, ary inona no nampiavaka azy tamin’ireo tranga samihafa teo aloha ? Raha hiverenana ihany koa ny tantara, dia nisy ny mpitondra fivavahana nilaza fa apetraka fotsiny ho filoha ny taona 2013, kanefa toa lainga sy fanasana atidoha, ka ny olona nilaza an’io aza dia kandida ho filoha amin’ny fifidianana ho avy eo, fa tsy napetraka fotsiny araka ny filazany. Ho an’ny Malagasy, amin’ny ankapobeny dia fatra-panaja an’Andriamanitra sy fanjakana ary tena matahotra izany, ka toa hararaotina angamba. Mila mazava ny zava-drehetra mba tsy ho voafitaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT