Nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fiofanana momba ilay tetikasa fambolena an-drenivohitra avokoa ireo tompon’andraikitry ny EPP miisa fito eto an-tanàn-dehibe omaly.
Tao amin’ilay toerana fambolen’ny Kaominina zanakazo etsy Antanimena no nanatanterahana izany, hifarana anio alarobia. Tanjon’ny tetikasa ny hamatsy sy hanohana ilay tetikasa « cantine scolaire » eny anivon’ireo EPP ireo ankoatra ny fampandraisana anjara ireo ankizy mpianatra ho tia sy hahay hikolokolo ny zava-boary. Tsy latsa-danja amin’izay ny fampiroboroboana ny fambolena « bio » ho sakafo ara-pahasalamana tanteraka ny vokatra azo avy aminy, hitondra fahasalamana ho an’ny mponina. Hahazo tombontsoa manokana amin’ity tetikasa izay volavolain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ity ireo EPP rehetra. Rehefa tapitra ny fiofanana dia hiditra avy hatrany amin’ny fampiharana ireo mpizaika ka ny kaominina Antananarivo Renivohitra no hanara-maso izany hanampy amin’ny lafiny ara-teknika ny fambolena izay hatao. Tsara ny manamarika fa anana sy legioma isan-karazany no hoezahana volena eny amin’ireo EPP miisa fito ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.