Raha ny fihetsiky ny fitondram-panjakana ankehitriny aloha dia mbola tsy hita veroka ho vonona hamaha ny fitakiana sendikaly.
Taratra io amin’ny valin-teny tokana miseho amin’ny endrika maroloko ataon’ny praiminisitra vaovao isak’izay hanontaniana. Na inona na inona fanontaniana mipetraka dia tsy misy azo amintinana ny valin-tenin’i Christian Ntsay ankoatra ny hoe hanatanteraka fifidianana no antony nanendrena azy. Tsy mbola nandrenesana resaka mikasika izany famaliana fitakiana sendikaly izany aloha hatreto niainga avy teny Mahazoarivo teny. Heverina ho tsy hanaiky hodivirana moramora rahateo ireo fianakaviambe iraisampirenena efa miezaka mampisavovona ny kitampom-bolan’ny CENI hanatontosana fifidianana toy ny vondrona eoropeanina. Hita ho efa letrezana mihitsy ny hahatontosa ny fifidianana raha ny zava-misy koa dia miankina amin’ireo sendika ny ho tohiny satria dia hita ho mbola naman’ny nofy hatreto izay mpitondra hamaha ny olan’izy ireo izany raha ny amin’ity taona 2018 no resahana fa mety fifampiresahana famonoan’afo fotsiny no atao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.