Tsy misy toerana izay tsy ahitana fako mivangongo amin’izao eto Antananarivo Renivohitra.
Ankoatra ny fofona sy ny mikraoba miparitaka entin’izy ireny dia miteraka fitohanana ihany koa ny fako mivangongo toy ny hita etsy Andohomadinika, ny eny Anosipatrana …Hodiovina tanteraka izy ireny manomboka anio sabotsy, hoy ny kolonely Ramboasalama Emilien, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Efa tafaray mantsy ny kaominina sy ny minisiteran’ny rano misy ny SAMVA izay lasa tantanana minisitra avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ka foana hatreto ny sakana mahazo ny kaominina amin’ny asa fanadiovana tokony hataony eto Antananarivo. Nomarihin’ity lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa efa nisy hatramin’izay ny fanampiana nentin’ny kaominina ho an’ny SAMVA na teo aza ny antsojay natao tamin’izy ireo toy ny fanomezana fiara lehibe hitaterana fako mihazo an’Andralanitra, ny bulle hitrongisana izany niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy nanao ny asa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.