Actualités

Fako ao Mahajanga Nivadika resaka politika


  • Alatsinainy 20 Desambra 2010

Ny TCR (Tanora Contre Ravalomanana) no nampidirin’ny Kaominina an-tsehatra handroaka ireo fako miavosa eran’ny tanàna ao Mahajanga.

Mitokona tsy miasa efa herinandro anio izao ny mpiasan’ny Kaominina, mitaky ny karamany izay efa mananika ny efa-bolana amin’ity desambra ity izao no tsy voaloa. Asa be no miandry ireto TCR ireto amin’ny fanalana ny fako efa niangona herinandro. Mety ho izay angamba no mitarika ny fametahana takelakazo, toy ny hita ao Mangarivotra nanomboka omaly hariva, milaza fa mandoa 10.000Ar  izay tratra manary fako eo amin’ny toerana fanarian’ny olona fako ao. Mahagaga ny mponina amin’ny fokontany Mangarivotra sy Mahajanga be ihany ny fahitana izany, raha avy amin’ny TCR no niavian’io fandrarana io, satria miditra amin’ny zavatra tsy tokony hidirany izy ireo. Raharahan’ny Kaominina no manapaka izany, ary tokony hahazo fankatoavana avy eo anivon’ny Filankevitry ny tanàna vao ampiharina.

Amin’ireto mponina ireto dia fisalovanana tsotra izao ny asan’ny Kaominina izany. Tovolahy kely iray tsy nanampo na inona na inona izay tonga hanary fako toy ny mahazatra teo amin’io fanarian’ny mponina ao Mangarivotra fako io, no sendra azy ireo, ary saika voavely bolongan-kazo omaly tolakandro. Lasa nisy mpiambina tampotampoka koa ilay toerana, efa fanarian’ny mponina fako io. Araka ny fantatra dia mpiambina ny OTIV izy io, izay mbola fanontaniana mipetraka koa hoe tafiditra amin’ny asa sahaniny sy nampiandraiketina azy ve io fiambenana toeram-panariam-pako io sa asa ambony ampanga ? Ny zava-nisy omaly mantsy dia nasainy noraofina ny fakon’ilay tovolahy ary nentina nody. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ireo tanora TCR mandraoka fako ao Mangarivotra Mahajanga
 
Encadré : Vondrona tanora niforona tamin’ny fiandohan’ny krizy 2009 tao Mahajanga tao ny TCR. Atao fitaovana politika ary lasa biby fampitahorana mihitsy izy ireo nony taty aoriana. Isaky ny misy fitokonana ka manelingelina izao fitondrana FAT izao, dia miditra na ampidirina an-tsehana handrava izany ny tanoran’ity TCR ity. Nitranga izany tao anatin’izao fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Kaominina Mahajanga izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT