Nahitam-bokany ny ezaky ny mpitandro filaminana manodidina ny raharaha fanafihana mpivarotra teratany sinoa iray tany Manakara ny alahady teo.
Voasambotry ny zandary afak’omaly tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe : Marovilikely any amin’ny Distrikan’i Vohipeno ny iray tamin’ireo jiolahy, raha tafaporitsaka kosa ny iray. Tsy nifandrenesana ny poa-basy tamin’io andro io, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nisy moa ny barazy natao tamina toerana maro tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, nefa mbola tafaporitsaka ihany ireo olon-dratsy. Efa niomana ny handeha lakana hitsoaka any amin’ny faritra hafa izy ireo no izao tra-tehaky izao. Efa-dahy izao no voasambotra tao anatin’ny fikasana haka an-keriny mpandraharaha sinoa tao Manakara izao. Mbola mitohy kosa ny fisamborana ilay jiolahy tafaporitsaka, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.