Actualités

Fakana an-keriny Niaiky ny helony ireo zandary mpiasan’ny prezidansa


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Mbola mitana ny sain’ny maro ilay raharaha nidirana zandary GSIS niisa 3 sy sivily iray, tratran’ny polisy niaraka tamin’ilay mpandraharaha mpanao jirofo nalaina an-keriny sy nahatrarana vola 140 tapitrisa ariary tao Moramanga. Tao Toamasina Bd Ratsimilaho amoron-dranomasina manakaiky ny trano

 

 fandraisam-bahiny Le Neptune no nisamboran’izy ireo azy avy naka vola tamin’ny banky ny alakamisy tokony tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny angom-baovao dia “niaiky” ny heloka vitany ireto GSIS mpiasan’ny prezidansa 3 lahy sy ilay sivily iray niaraka tamin’izy ireo. Nanararaotra ny 3 andro tsy fiasan’izy ireo eny Ambohitsorohitra ireto zandary telo lahy ireto, no nidina namonjy an’i Toamasina nanao “mission” fotsiny. Izany lietna zandary miasa ao Toamasina izany no mpaka ny vaovao rehetra namitana ity “mission” ity, ary izany kolonely zandary eto Antananarivo izany no atidohan’ny raharaha. Teo am-panaovana ny fakana an-keriny anefa ireto GSIS ireto, izay mbola nampiseho karatra tamin’ilay mpandraharaha jirofo avy naka vola ka nampiditra azy tao anatiy 4x4 “land cruiser” nentin’izy ireo raha avy nofatorana sy nalaina ny vola. Ny angom-vaovao no nahalalana fa nisy mpitandro filaminana sendra nandalo andeha hiasa nahatazana ny raharaha ka nanamora ny fanaraha-maso ireto “mpaka an-keriny” ireto. Tambajotra goavana izy ity ary misy hatrany koa ilay “raha mandalo ramaka may ny tanàna” ao anatin’ny raharaha tahaka ireo fakana an-keriny nitranga nandritra ny tetezamita nahaverezam-bolan’ireo fianakaviana niisa 07 tratra tao anatin’ny 2010-2013 mitentina manodidina ny 7.000 tapitrisa ariary be izao.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT