Actualités

Fakan-kevitra isam-paritry ny FFKM Hamaly fanontaniana 15 ireo mpizaika


  • Zoma 06 Martsa 2015

Fanontaniana 15 no fototry ny fakan-kevitra omena ireo mpizaika rehetra manerana ny nosy ao anatin’ny fihaonana isam-paritra momba ny fampihavanam-pirenena izay nanomboka omaly ary hifarana rahampitso sabotsy 7 martsa. Fanontaniana anisan’ny hipetraka ny hoe : inona no atao hoe fanjakana tsara tantana ? Inona no tetika hahatongavana amin’izany ? Inona no tokony hatao mba

 

hahazoana manatanteraka fifidianana madio sy mangarahara ? Ahoana no atao mba hahazoana mametraka ny filaminana ? Mitovy ny fanontaninana apetraka amin’ny mpizaika rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny tany amin’ny faritr’i Melaky ihany no tsy nanomboka omaly satria saro-dalana noho ny orambe ka tsy tonga tany an-toerana ireo mpikarakara sy ny mpandray anjara sasany ary ny fitaovana ilaina. Nahemotra amin’ny herinandro ny fanombohan’ny fivoriana any an-toerana. Solontena 1 avy amin’ny filoha 5 miampy solontenan’ny FFKM no ao anatin’ilay komity teknika mitarika ny fivoriana. Ho an’Analamanga manokana dia Rtoa Ramisandrazana avy amin’ny ankolafy Ratsiraka no solontenan’ireo filoha 5. Tsy tazana nanatrika ny fivoriana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina moa omaly ny solontenan’ny filoha Zafy sy Rajoelina ka nisy ny  fandaminana vaovao tsy maintsy natao. Samy nahatonga solontena kosa ny filoha Rajaonarimampianina, Ratsiraka ary Ravalomanana. Natao izao fakan-kevitra izao satria raha hanova dia tsy maintsy maka ny hevitry ny vahoaka aloha, hoy ny mpikarakara. Ny fehin-kevitra naravona aorian’ny fahavitan’ity fihaonambe isam-paritra ity indray no entina hodinihana mandritra ny fihaonambem-pirenena hotanterahana eto Antananarivo ny 26 sy 27 martsa ho avy izao

Légende: Nanomboka omaly ny fakan-kevitra isam-paritra karakarain'ny FFKM

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT