Mahatratra 14 000 Ha ny tany efitra manerana an`i Madagasikara amin`izao fotoana ka ahiana ho tratry ny tany efitra avokoa manerana ny Nosy vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Raha ny fantatra dia ny any Atsimo Andrefana no tena mitondra faisana amin’izany, antony mampitombo isa hatrany ireo ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any an-toerana…Noho ny fanjifana ny tany loatra diso tafahoatra sy tsy ara-drariny no mahatonga izany, hoy Randriatsarafara Dera, talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny tontolo iainana ka ilana fanovana toe-tsaina. Anisan’ny harena maharitra mantsy ny tany, hoy izy ka tokony hampiasana hitadiavana ara-dalàna mba hisy fiantraikany tsara amin’ny rehetra. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny tany efitra. Tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany. Narahina fampirantiana sy fampahafantarana ny tokony hataon’ny tsirairay amin’ny fiarovana sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan’ireny ny fambolena tokony hatao aminy mandritra ny taona iray, ny fikojana ny tany, ny masomboly tokony hampiasaina ary ny toetr’andro mety sy takian’izany. Raha tsy misy fepetra raisina amin`ny fahasimban`ny tontolo iainana dia hiakatra 40,75% ny tany efitra eto amintsika amin`ny taona 2025.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.