Actualités

Fahasalaman’ny reny sy ny zaza Hanohy hatrany ny ady atao amin’ny aretina lefakozatra ny Rotary


  • Alatsinainy 23 Febroary 2015

Asa enina no tena mivaingana hiantsorohan’ny Fikambanana Rotary Club eto amintsika. Anisan’izany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny ady atao amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra …

 

 Ho an’itsy voalohany manokana dia hanohy hatrany ny ezaka efa natombony ireo klioba miisa 20 eto amintsika mivondrona ao anatin’ny Rotary Club International izay mankalaza ny faha-110 taonany. Tamin’ny alalan’ny dihy mendrika fanatanjahantena antsoina hoe zumba no nanatevenan’ny Fikambanana  ny kitapom-bolany omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ka 2.000 Ar no fidirana tamin’izany. Ankoatra ireo renim-pianakaviana te hitaiza vatana sy hanena tena amin’ny alalan’ity karazana dihy ara-panatanjahantena iray ity dia  olon-tsotra maro no nanohina ny antso izay samy nahatsapa ny maha zava-dehibe ny ady atao amin’ny aretina lefakozatra, indrindra fa ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Marihina moa fa mbola nisy hatrany ny fampahafantarana ny asa sahanin’ny Fikambanana ka anisan’ny voaresaka fa manohana ny fandraisany anjara amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza toy izao ny Rotary.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT