Actualités

Fahafatesan’ilay zazavavy 15 taona Mpampiasa iray sy mpamily iray nidoboka am-ponja


  • Zoma 13 Janoary 2023

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay rangahy nipetrahan'ilay tovovavikely 15 taona avy any Manazary Miarinarivo Itasy sy ny mpamilin'ny fiara nitondrana ny vatana mangatsiakany, araka ny vaovao avy any an-toerana.

Raha hiverenana, niteraka resabe tany an-toerana ny fahafatesan’ity tovovavy ity, izay ny vatana mangatsiakany sisa naterina tany amin’ny fianakaviany. Tao anaty fanadihadiana no nahalalana fa tsy hiasa no nandefasana azy teto Antananarivo fa hipetraka amina olona noho ny fahasahiranan’ny reniny, hoy ny tatitra. Nambaran’ireo olona nipetrahany fa nilaza ho tsy tamana foana anefa i Hianja ary ny 03 janoary teo izy no nitaraina fa narary an-doha ka nantsoina ny reniny mba ahafahana mampody azy any Manazary. Ny marainan’ny 04 janoary, tsy nahatsiaro tena tampoka izy ka nentina tany amin’ny mpitsabo ary ity farany indray no nandefa azy teny amin’ny Hopitaly Anosiala Ambohidratrimo. Voalaza fa nandritra izany, dia efa nantsoina ny reniny hiakatra teto Antanananarivo kanjo efa tsy tana intsony ny ain’ilay zaza. ACR na “Arrêt cardio-respiratoire” no voarakitra ho nahafaty azy. Ireo mpivady izay nipetrahan’i Hianja ireo ihany no voalaza fa nanatitra ny razana tany Manazary tamin’ny 04 janoary 2023.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT