Manomana hetsika marososona ny Biraon’ny faha-100 taonan'ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM ) sy ireo Sampan'Asa ao aminy amin’izao ankatoky ny famaranana ny fankalazana ny faha-100 ny FFPM izao. Ny zoma 09 mey dia hisy ny fanokafana ny varotra fampirantiana ireo asa-tanan'ny Akany Avoko Protestanta sy fampahafantarana ireo Sampan'Asa hafa ao amin'ny FFPM hatao ao amin'ny FLM 67ha. Hitohy ny sabotsy 10 mey ny varotra fampirantiana izay harahina rindran-kira lehibe hataon'ireo Antoko Mpihira malaza avy amin'ny FLM sy FJKM eto an-drenivohitra sy ny manodidina, ny tolakandro ao amin'ny FLM 67 ha ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.