Feno 10 taona ankehitriny ny nitsanganan’ny FTMRAT “Fikambanan’ny Tanora Mpanao Rugby eny Ambany tanàna” tarihan’i Naina Be « Rakotondrafara Jean Heriniaina ».
Fiarahana nisakafo teny amin’ny ANS Ampefiloha omaly alakamisy antoandro 23 aogositra no nanombohana ny fanamarihana ny tsingerin-taona. Koa satria niaraka tamin’ny fanampiana an’ity fikambanana ity hatrany ny filohan’ny Antenimiram-pirenena Malagasy, Rakotomamonjy Jean Max, dia izy ihany koa no nanolotra ny hoenti-manana nentina nanatanteraka an’ity fiaraha-misakafo ity ary mbola vonona ny hanampy ihany koa amin’ny fanohizana ny fikarakaran’ny FTMRAT ny faha-10 taona amin’ny lalao rugby hiainga amin’ny 1/4-dalana hotontosaina eny amin’ny kianjan’ny Ans amin’ny alahady 26 aogositra izao sy hofaranana eny amin’ny kianjan’i Malacam amin’ny manasa-dalana sy ny famaranana amin’ny daty mbola holazaina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.