Actualités

F3M Hamory ny mpiasam-panjakana eny Ambohijatovo


  • Alakamisy 10 Febroary 2011

Tsy zakan’ny mpiasam-panjakana intsony ny fiainana amin’izao fotoana raha ny fahitan’ny Fiaraha-Mientan’ny Mpiasam-panjakana Malagasy na F3M azy.

Tsy mitsaha-misondrotra ny vidim-piainana ary tsy mbola fahita mihitsy ny vary amidy 2000 ariary ny kilao sy menaka 7000 ariary ny litatra, hoy i Tsialofana Andriankinana, mpitondra tenin’ny 3FM. Ho an’ity sendika ivondronan’ny fikambanana mpiasam-panjakana miisa 13 ity dia tsy vahaolana ny fampiakarana ny karama 10% sy 25% ho an’ireo ambany sokajy indrindra. Nohamafisin’i Tsialofana fa vao mainka hiteraka fanavakavahana eo amin’ny samy mpiasam-panjakana io fanapahan-kevitra io satria handray tambin-kasasarana betsaka kokoa noho ireo mpiasa ao amin’ny “catégorie 2” indray ireo nandray karama farany ambany teo aloha.

Nampiany koa fa fanapahan-kevitra politika tsy misy fandinihana lalina no nataon’ny filohan’ny FAT matoa aorian’ilay fanambarana vao mikaroka ireo mpiasa mahazo izany ny ministera. “Amin’ny maha Paramed ny tenako koa dia takiana ny hanambarana mazava ny hetra alain’ny fanjakana amin’ity fanondrotan-karama ity satria ho anay manokana dia nomena ‘indemnité de sujetion’ 20.000Ar izahay saingy nakana hetra 5000Ar be izao”. Soso-kevitry ny F3M ny fampiharana ny marikarama narindra na “grille indiciaire aligné et consolidé” izany hoe araka ny fianarana vita sy ny maripahaizana ananana no karama. Manoloana ny zava-misy moa dia miomana ny haneho hevitra eny Ambohijatovo ny F3M amin’ny fotoana tsy voafetra hitakiana ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mpiasam-panjakana ary efa manomana ireto farany amin’izany ihany koa.

 

Sary : Tsialofana Andriankinana, mpitondra tenin’ny F3M

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT