Actualités

Essam El Hadary - Egypte Mbola nahatohana penalty teo amin’ny faha-45 taonany


  • Alarobia 27 Jona 2018

Teo amin’ny faha-45 taona sy 161 andro niainany dia mbola nahatohana ny penalty azon’i Arabie Saoudite teo amin’ny 41’ ka nodakan’i Fahad Al-Muwallad ihany ilay mpiandry harato Egypsiana Essam El-Hadary nataon’ny “Pharaons”

ho kapiteny indray tamin’ny alatsinainy teo. Tsy voasakany intsony anefa ny penality faha-2 azon’i Arabie Saoudite(45’ +6) ka nodakan’i Salman Al-Faraj. Tamin’io niakarany kianja io dia lasa mpiandry harato lehibe taona indrindra nandray anjara tamin’ny Mondial izy. Marihina fa ilay mpiandry harato Kolombianina Faryd Mondragon (43 taona sy 3 andro) no nitana an’io « record » io tamin’ny Mondial-2014 tany Brésil. Nisongadina koa tamin’ny andro faha-12 ny tsy nahafatesan’i Cristiano Ronaldo penalty nanoloana an’Iran. Nahafaty baolina ihany i Messi omaly.

Voka-dalao tamin’ny alatsinainy 25 sy talata 26 jona 2018 :

Arabie Saoudite 2 - 1 Egypte ; Uruguay 3 - 0 Russie ; Espagne 2 – 2 Maroc ; Iran 1 – 1 Portugal ; Danemark 0 – 0 France ; Australie 0 – 2 Pérou ; Nigéria 1 – 2 Argentine ;  Islande 1 – 2 Croatie.

Fandaharan-dalao andro faha-14 alarobia 27 jona

17h00 : Corée du Sud - Allemagne, any Kazan

17h00 : Mexique - Suède, any Ekaterinbourg

21h00 : Serbie - Brésil, any Moscou (Spartak)

21h00 : Suisse - Costa Rica, any Nijni Novgorod

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT