“Epicerie” iray ao Tsarahonenana mihazo ny RN2-Bis mandalo ny lalam-baovaon’Ambatovy no notafihana andian-jatovo miisa 10 tsy misaron-tava ary nitondra kibay sy antsy fohy sy sabatra, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Lasan’ireto andian-jatovo ireto tamin’izany ny vola 6 hetsy Ariary maty ny tontolo ny andro sy ireo entana tao anatin’ny fivarotana izay vao avy novidiana tamin’ny mpamongady. Araka ny fanazavana dia tsy nisy tahotra mihitsy ireto andian-jatovo ireto nanao ny asa ratsiny, satria sady tsy taitra izy ireo nanangona ny entana no mbola nihinana ireo zavatra azony nohanina nandritra ny fandravana nataony. Efa niatrika ireo fianakaviana voan’ity fandravana ity ny mpitandro ny filaminana, ka ho hita eo ny tohin’ny fanadihadiana mikasika azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.