Actualités

Entan’ny Tiko tao Toamasina An-tapitrisany Euro norobain’ny fitondrana tetezamita


  • Talata 17 Jolay 2018

Nanamarika ny fanonganam-panjakana 2009 ny fandrobana ka anisan’izany ny fitaomana ny vary, lafarinina an’ny Tiko sy Mana an’i Marc Ravalomanana tao Toamasina ny 4 aprily hatramin’ny 31 aogositra 2009.

Raha ny vary fotsiny, nahatratra 32 079,30 taonina mitotaly 1 168 348, 89 Euros, lafarinina  16 384,10 taonina mitentim-bidy 7 281 822, 22 Euros. Ampahany ihany ireo, fa mitotaly 19 344 562, 22 Euros izay manome 67 705 967 000Ar eo raha kotiana 3 500Ar eo ny iray Euro ny valeran’ny entana rehetra navoaka sy norobaina. Ialan’ny resaka hetra, dia 17 444 682,22 Euros na 61 056 387 000 Ar (raha 3500Ar ny euro iray) ny vola tokony ho naloan’ny fanjakana tamin’ny Tiko, raha ny sora-bola navoakan’ny Vondrona Tiko sy ny vondrona manampahaizana nampiasainy. Raha ny tantara dia ny varin’ny Tiko nangalarina no nampiasaina sy nireharehana tamin’ny fanaovana vary mora nakana fom-bahoaka. Mbola lovain’ny HVM ny fomba ratsy, ary tsy azo hadinoina fa tompon’andraikitra ambony nitantana ny volam-panjakana i Hery Rajaonarimampianina tamin’izany. Mba nankaiza izao ilay vary nomen’ny sinoa 4 300 taonina, izay ny filoha mihitsy no nandray azy tany Toamasina ny 19 jona 2017 ? Sa kosa novaina ny gony dia ireny tratra eny amin’ny « épicerie » na « Quincaillerie » ireny ny sasany, na koa nozarazaraina tamina asa sosialy toy ny an’i Voahangy Rajaonarimampianina ireny ? Na ny olon’ny tetezamita na ny HVM, dia samy tsy mahalala menatra sy tsy mba manan-kambo, ary tsy antenaina hampandroso mihitsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT