Actualités

Efitrano Rado Natao trano fialambolin’ny ankizy


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Tsy ampy fialamboly ny ankizy sy tanora malagasy amin’ny ankapobeny amin’izao vanim-potoana iainana izao.

Eo anatrehan’izay indrindra dia nanokatra Ivotoerana fialamboly natokana ho azy ireo ny ministeran’ny Alavoly. Misokatra midanadana ho an’ny ankizy sy ny tanora, indrindra fa ny mpianatra ary ny varavaran’ny efitrano Rado etsy Ambohijatovo ny alarobia sy zoma tolakandro izay mbola mety hotohizana ny sabotsy ihany koa amin’ny taona ho avy . Efa nisy ny fifampiresahan’ny tomponandraikitry ny ministera tamin’ireo sekoly eto an-drenivohitra momba ity tetikasa ity ka 30 tamin’ireo no fantatra fa handefa ny mpianany eny an-toerana araka ny fahalalahan’ny fandaharam-potoany avy. “Misy karazana kilalaon-tsaina maro hampianarina ireo ankizy ao an-toerana toy ny fanorona, ny echec, ny jeu de dame, ny jeu de go, ny quadri-malagasy izany hoe ireo dihy gasy ary misy koa ny fandefasana horonantsary fanadihadiana iarahana amin’ny Ortana. Natao ireo mba hampanita-tsaina sy hampivelatra ny ankizy fa tsy hotoloram-potsiny akory izy ireo”, hoy i Andrianarisoa Zo, Talen’ny fampivoarana ny alavoly eo anivon’ny ministera. Maimaimpoana avokoa ny fampianarana raha ny fanazavany ihany. Mikasa hanampy kilalaontsaina hafa moa ity sampandraharaha ity amin’ny 2011 ary hisy koa ny fikarakarana fifaninanana isan-tsekoly.      

Sary : Tonga maro ny ankizy liana amin’ireo kilalaontsaina
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT