Tato anatin’ny roa volana teo izao dia hita ho niha-henjakenjana ihany ny fifandraisana teo amin’ny PDS-n’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, Edgar Razafindravahy, sy ny fitondrana tetezamita, indrindra moa fa ny avy ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana tarihan’i Hajo Andrianainarivelo, izay mpiahy ny Kaominina rehetra manerana ny nosy.
Maro be ny resaka nifamoivoy tamin’ity raharaha ity, ary samy tsy nisy nety nilaza ny tena marina ny andaniny sy ny ankilany, fa zavatra madinidinika tsikaritry ny mpanao gazety sy ny olon-tsotra no nahafantarana fa tsy manga mihitsy ny lanitra eo amin’ny roa tonta. Matetika ohatra no tsy tazana amin’ireny lanonana ofisialy karakarain’ny fitondrana foibe ireny ny PDS fa dia solotena hatrany no alefany any, ny ao amin’ny ministera indray raha vao anontaniana vaovao momba an’ny PDS dia mandrangaranga fa fampiharana ny lalàna no tsy maintsy atao ary tsy misy ambonin’ny lalàna izany eto. Tranga iray anisan’ny namaky am-batolampy ity tsy fifankazahoana ity ny raharaha fanorenan-trano an’ny orinasa sinoa Bao Lai etsy Soarano.
Ny kaominina no nanome ny fahazoan-dalana, nanambara anefa ny avy ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany fa tsy voahaja ny lalàna amin’ny fanorenana eto am-povoan-tanàna ary mifangarika amin’ny mari-trano efa misy io tranoben’ny Bao Lai io koa mila ravana ny rihana faha-6. Hatramin’izao anefa dia mbola mitingitingina eny Soarano io rihana faha-6 io, ary efa namoaka fanambarana indray ny avy ao amin’ny Kaominina fa ry zareo irery ihany no manam-pahefana hanome alalana hanorina sy handrava trano eto an-drenivohitra. Tsy manaiky lembenana arak’izany i Edgar Razafindravahy sy ny ekipany, saingy tsy hanaiky mora izany ihany koa i Hajo Andrianainarivelo izay anisan’ireo ministra mifankahazo tsara amin’i Andry Rajoelina ary manana ny toerany ao amin’ny governemanta.
Mibaribary ny resaka eto fa tena politika fa tsy teknika fotsiny, raha araka ny lalàna tokoa mantsy dia ambany fahefan’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny Kaominina na dia manana sata manokana tahakan’Antananarivo renivohitra aza ; saingy toerana politika goavana ary hahafahana manova zavatra maro ny toeran’ny Ben’ny tanàna eto koa izay no mety mampitranga izao fifanandrinana izao. Mandeha ny feo fa te handray fepetra mafy ny ao ambonimbony ao satria manelingelina i Edgar Razafindravahy fa toa manomboka manao propagandy sahady sady mampiasa ny haino aman-jeriny hanapariahana hafatra politika, saingy tena sarotra ny raharaha. Ny PDS rahateo efa hatramin’ny 2008 no nandrenesana siosion-dresaka fa maniry ny ho Ben’ny tanàna ary tena mikendry ny ho filoham-pirenena mihitsy.
Anisan’ny nanohana an’i Andry Rajoelina izy hatramin’ny 2007 na dia tsy nisehoseho firy aza ; ka lasa ny eritreritra eto hoe : efa tonga eo amin’ny tsotsorimamba isarahana amin’izay ve ny roa tonta amin’izao fotoana ka samy maka ho azy sy mizotra amin’ny lalany ? Raha tsy mahay mamindra tsara ny PDS dia mety ho sahirana ihany ary ho lasa tantara sisa ny nofinofiny fa mety tsy ho to ; raha mivatravatra ihany koa ny ministra dia mety noho ny nataony no haharava ny fitondrana nitolomany teny an-kianja. Ny tantara dia mbola mitohy, dia ho hita eo hoe iza no tena maranitra sy matsilo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.