Tsy fantatra mazava izay tena antony mahatonga ireo mpikambana mpitantana vonjimaika ny oniversite Mahajanga nanakana ireo mpinatra taona voalohany tsy hiditra ao an-tsekoly hamonjy ny fianarany ao amin’ny sampam-pampianarana EATP ny alatsiniainy maraina teo.
Raha ny zava-misy dia miditra amin’ny fito ora sasany maraina ireo mpianatra ka efa tamin’ny fito ora katroka izy ireo no efa niandry teo am-baravaran’ny sekoly. Naharay antso ny tale io sampam-pampianarana io avy amin’ireo komity mpitantana vonjimaika ny oniversite fa hajanona avy hatrany ny fianaran’ireo mpianatra noho ity sampam-pampianarana ity mbola nisy olana teo aloha. Hatezerana no niseho teo amin’ialy talen’ny sekoly ka voatery no ravana ireo mpianatra ka tapaka fa ny alatsinainy izao no hiverina an-tsekoly indray ireo mpianatra nosakanana. Niteraka fahasorenana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny famohana ity fanapahan-kevitra tsy araka ny tokony ho izy ity. Zavatra tahak’izao ihany matetika no miteraka ny fitokonan’ireo mpianatra izay miafara amin’ny fanapotehana zavatra ao amin’ny campus ka tokony hojeren’ny minisitera ny fampianarana ambony hatrany ity fanakana ny fampandehana ny fampianarana ireo mpianatra ao amin’ny EATP ity satria dia efa vonona hihatrika ny fianarana izy ireo ny andron’ny alatsinainy fotoana izay hidirana mianatra amin’ny taom-pianarana 2014-2015 saingy nosakanana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.