Samy nahitana mpampianatra FRAM nitokona teo anoloan’ny biraon’ny faripiadidiam-pampianarana na Cisco Ambatondrazaka sy Moramanga ny alatsinainy 17 janoary teo. Ho an’ny Cisco Ambatondrazaka manokana dia tao amin’ny Cisco Atsimondrova no nifamotoana ireo mpampianatra FRAM ny maraina tokony ho tamin’ny 9 ora.
“Ny tambin-karama tao anatin’ny efa-bolana no takianay”, hoy izy ireo raha niteny nanoloana ny mpanao gazety. “Nampanantenaina izahay fa hivoaka mialoha ny fety ny vola, ankehitriny lasa fandrirarirana sy fandrahonana no atao anay fa hoe : tsy terena ianareo hiasa fa rehefa tsy mazoto azo roahina”, hoy Rakotoarimalala Ernest, filohan’ny Fikambanan’ny mpampianatra FRAM Cisco Ambatondrazaka. Betsaka, hoy izy ireo no tsy mandray vola intsony avy amin’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra noho ny fanazavana nentin’ny avy eo anivon’ny Cisco fa efa karakarain’ny Fanjakana ny karama ho an’ireo mpampianatra FRAM, ho an’ireo mbola mandray dia 10.000 ariary isam-bolana fotsiny. Efa herinandro maromaro izy ireo no nivezivezy tamin’ny biraon’ny foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro fa noho ny tsy fahazoana valiny mahafa-po dia izao nandray fanapahan-kevitra ny tsy hampianatra izao raha tsy mivoaka ny tambin-karama efa-bolana izay mitentina 400.000 ariary. Raha nanontaniana ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny DREN sy ny Cisco dia samy nanambara fa ny vola mihitsy no tsy mbola tonga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.