Actualités

Dr Marius Ramaroson “Mandalo rarintsaina daholo izao ny olona”


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Mety hampitolefika na hampalemy ny tapany ambanin’ny olona iray ny tsimokaretina na “virus” miparitaka amin’ny tenany, hoy ny dokotera mpitsabo,

Dr Marius Ramaroson, manoloana ny fiparitahana aretina eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny. “Virus” nampalemy, ohatra, izao taloha, hoy izy, ny poliomelita. Misy ilay ataon-drizareo hoe “syndrome de guillain-barré” izay. Mamely ny tsokan-damosina dia mampalemy ny tapany ambany izay. Mila fantarina ny tohiny satria ny gripa mijanona eo amin’ny taovam-pisefoana fa tsy tonga amin’izay. Mampalemy hozatra ny “virus”. Raha mandalo fotsiny ilay tranga fa tsy maharitra nefa dia mety resaka rarintsaina na zavatra ohatran’izany. Izany hoe izay ilay antsoina hoe “contracture musculaire”. Ny aretim-bavony indray raha hoe betsaka izy izao dia misy karazany 2 toy izay ihany. Misy ilay aretim-bavony masaka. Izany hoe menamena ilay hoditra ao na maratra mihitsy. Ny fisehony dia samy maratra iny lalan-kanina iny ary mila fanafody izay. Ny fanaovana azy moa dia misy fitaovana na “tube” alefa any amin’ny lalan-kanina hijerena hoe masaka sa maratra ilay izy. Na ilay masaka na maratra dia mety samy vavony nihetsika noho ny rarintsaina. Tsy afaka lavintsika fa mandalo rarintsaina na “stress” daholo izao ny olona. Ny dikan’izay dia tsara ny tsy mihinana zavatra mety mamely vavony intsony. Ohatra amin’izany ny misy “gaz” na mamay be loatra na masiaka. Ny alikaola fa indrindra ny sigara. Toy izany koa ny kafe. Zava-dehibe ny fanatonana mpitsabo rehefa marary vavony, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT