Taitra avokoa ireo olona rehetra nahalala an’i Todizara Angelo fantatry ny maro amin’ny hoe DJ Angelo noho asa maha mpanentana azy amin’ireo trano fandihizana sy lanonana,
ankoatra ny maha mpanentana azy amin’ny onjam-peo iray ao Toamasina. Aretina efa nahazo azy am-bolana maro izao niteraka ny fahafatesany izao, izay aretina nilana fitsaboana tany ivelany na lafo aza nefa tsy nety nahazoany fahazoan-dalana na efa im-betsaka aza no nanao izany izy sy ny fianakaviany. Tsy ny fampandihizana sy ny fanafanana lanonana ihany anefa no nahalalan’ny maro an’ny DJ Angelo, fa mpamoron-kira koa izy ka anisan’ny hira noforoniny ary nampihirany an’i Stephanie ilay hoe “tsinjaka”, izay vao maika nahalalan’ny olona maro azy na teto an-toerana na tany ivelany koa. Niditra tamin’ny resaka politika koa anefa ny DJ Angelo nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina farany teo, ka nahalany azy tamin’ny anaran’ny Mapar ho mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina. Mirary fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana amin’izao fandaozany ny tany izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.