Anisan’ny miasa mafy ho an’ny fampandrosoana ny tontolo any ambanivohitra ny fikambanana Mampiray ao amin’ny distrikan’i Fandriana.
Tamin’iny tapany faran’ny volana jona lasa teo iny dia niasa tany amin’ny kaominina maro toa an’i Soanakambana, Miarinavaratra, Fiadanana, Sahamadio Tatamalaza, Betsimisotra sy ny hafa ity fikambanana ity ka zazalahy kely maherin’ny 250 no noforana maimaimpoana sy notolorana malabary sy kilalao ary fanafody niaraka taminy. Mbola nizara harendrina ho an’ireo zaza tsy misy mpijery any ambanivohitr’i Fandriana lavitra any koa izy ireo ary nanolotra “maillots” sy amboara ondry ho an’ny mpandresy tamin’ny fifaninanana baolina kitra niadiana ny amboaran’ny 26 jona 2018. Nanolotra tafo niisa 150 nanarenana ny Ceg Soankambana izay handray ny fanadinana Cepe 2018. Mampiroborobo ny vako-drazana sy ny hira zafindraony any amin’iny Faritra iny koa ny fikambanana Mampiray, araka ny fanazavana nomen’ny mpandrindra ao aminy, Rtoa Dina Rakotomalala ary mieritreritra ny hanasongadina an’ireo voalaza rehetra ireo manerana ny Nosy mihitsy aza, miaraka amin’ny filoha nasionaliny Atoa Hary Andrianarivo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.