Nahatratra 24 ny namoy ny ainy tany Ikongo, 10 ireo naratra ary tafakatra hatrany amin’ny 13 313 ny isan’ireo traboina tsy manan-kialofana vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Chedza. Voly manodidina ny 509 ha no rava sy potika tanteraka, omby 60 tsy hita popoka ankoatra ny biby fiompy kisoa
amam-borona. Tena anisan’ny nitondra takaitra tamin’iny voina iny ity distrika ity. Tsy nohadinoin’ny mpitondra fanjakana izy ireo raha ny tatitra azo avy any an-toerana no asian-teny satria dia nahazo ny anjara fanohanana ny traboina avy amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nampitondraina ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, ny depiote Razafitsiandraofa Brunel ny tany amin’ity distrika ity toy ny vary fotsy 900 lasaka, lafarinina 450 lasaka, siramamy 500 lasaka, menaka 900 litatra, savony 20 baoritra, afokasoka 900 isa, labozia 900 isa ary “sceau” 900 isa. Tongan’ity solombavambahoaka ity tany amin’ny toerana tokony halehany avokoa ireo fanampiana ireo ka tamin’ny alarobia 4 febroary lasa teo no nizarana izany. Tsy maintsy arahi-maso tanteraka ny fitsinjarana ireo fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena ireo, hoy ity depiote ity, ka izany no nitsidihako mialoha an’ireo kaominina 15 mandrafitra ny distrika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.