Notokanana ny sabotsy lasa teo ny trano sekoly vaovao misy efitra 4 ho an’ny Ceg any Mangatany Arivonimamo. Vola manodidina ny 30 tapitrisa ariary no nenti-nanana izany ka fifanomezan-tanana teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro notarihan’ny depiote Rakotomanjato Rodina voafidy tany an-toerana no nahazahoana izany ka saika fanolorana fitaovana enti-miasa avy hatrany no natolotry ny ankmaroany.
Tao ny nanolotra tafo, tao ny nanolotra tolana, tao ny nanolotra biriky, tao ny nanolotra simenitra, tao ny nanolotra loko ary izay tsy nanana kosa nanolotra ny herin-tsandriny. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny famitana ny asa ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity. Marihina fa fokontany maromaro no hahazo tombony amin’ity fanitarana ny sekoly ity ankoatra ny any Mangatany, tahaka ny any Manankasina, Ambaralamba, Andranomiely, Andranomena. Resy lahatra tamin’ny fanentanana nataon’Atoa solombavambahoaka ny rehetra ka nifanome tanana tamin-kitsim-po nanatanteraka ny asa. Raha 54 no mpianatra nandrato fianarana tao amin’ity sekoly ity tany am-boalohany, dia fantatra fa efa mahatratra 168 izao ireo mpianatra ao. Ankoatra ireo olom-boafidy tany an-toerana tahaka ny solombavambahoaka Rodin voalaza teo sy ireo Ben’ny tanàna maro any amin’ity distrika ity notarihin’ny Ben’ny tanànan’Arivonimamo, dia tazana nanome voninahitra ity lanonana ity koa ireo Solombavambahoaka maro notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimiera Faritanin’Antananarivo, Razafimanantsoa Hanitra, ary koa ireo solontena avy amina Minisitera maromaro notarihin’ny Minisitry ny varotra, Rabesahala Henri.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.