Raikitra ny fanitarana ny Dispansera SADIFI Andraikiba hisy toerana hampiterahana ireo reny bevohoka. Napetraka ny sabotsy 10 mey 2014 lasa teo ny vato fototra hanamarihana ny fanombohan’ny asa izay heverina fa ho vita ao anatin’ny telo volana.
Nambaran’i Mompera Fidelis Razafimandimby, Talen’ity toeram-pitsaboana ity fa noho ny fahamaroan’ireo mponina mitsabo tena ao amin’izy ireo no nanosika azy ireo hanao ny fanitarana. Hatramin’izay mantsy dia fizaham-pahasalamana ihany no nataon’izy ireo saingy maro ny renim-pianakaviana mitady fanaraha-maso tao amin’izy ireo kanefa ny fotodrafitrasa tsy maharaka izany. Ny fikambanan’ny Frera Fransiskanina moa no mitantana ity toeram-pitsaboana ity ka izy ireo no nikaroka ny mpiara-miombon’antoka ka ny P.H.I na ny “Pharmacie Humanitaire Internationale”, sy ny SALAMA no namatsy vola azy ireo. Na izany aza dia miantso fanomezan-tanana amin’ny rehetra ny fikambanana amin’ny fanorenana sy fanatsarana ny toeram-pitsaboana. Marihina fa miisa 8 ankehitriny ny Dispansera tantanan’ny fiangonana katolika ao Antsirabe, izay nisaoran’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra, Atoa Hervé Philibert. Mifameno tanteraka amin’ny vinan’ny fanjakana mantsy amin’izao fotoana izany dia ny “fahasalamana manakaiky ny vahoaka”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.