Actualités

Dinikasa tany Antsiranana Delestazy sy ny tsy fandriampahalemana no nibahana


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Nivadika ho dinikasa ny filankevitry ny Governemanta voalohany misintaka ny renivohitra nokasaina hatao tany Antsiranana.

 Minisitra 18 amin’ireo 31 mandrafitra ny Governemantan’ny firaisam-pirenena ihany rahateo no tonga tany, dia ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Atitany, ny Fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, ny Asa Vaventy, ny Fizahantany, ny Harena ankibon’ny tany, ny Solika, ny Angovo, ny Jono, ny fanapariaham-pahefana, ny fampiroboroboana ny Asa tanana, ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika, ny kolontsaina, ny Fanatanjahantena ary ny minisitry ny tanora. Dinikasa niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao an-toerana no natao. Nitarika izany ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer. Nandray anjara koa ny solontenan’ny Parlemantera avy amin’ny Faritra Avaratra notarihin’ny Filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Monibou Patrick, ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any Antsiranana notarihin’ny Lehiben’ny Faritra DIANA, Bezara Romuald, ireo olobe ara-drazana sy ara-pivavahana ary ny solontenan’ny mpanjifa any Antsiranana.

 
Notsiahivin’ny Praiminisitra fa tapaka tao amin’ny filankevitry ny Governemanta izao fidinana ifotony tany amin’ny tapany Avaratry ny Nosy izao, hanaovana dinikasa hijerena akaiky ny zava-misy iainan’ny vahoaka, indrindra ireo olana samihafa sakana amin’ny fampandrosoana. Fotoana nahafahan’izay nandray fitenenana nampahafantatra ireo olana mianjady iraisan’ny vahoaka sy ny zava-misy anivon’ny sampandraharaham-panjakana samihafa any Antsiranana.
 
Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahatapatapahan’ny jiro, ny tsy fahampian’ny rano, ny fahasimban’ny lalana, ny «chèque carburant» tsy eken’ny mpitantana ny tobin-tsolika, ny fanarenana ny SECREN, ny olan’ny SIRAMA, indrindra fa ny tsy fandriampahalemana. Voaresaka ihany koa ny fanomanana ny Journée Mondiale de la Jeunesse (JMJ) izay hatao any Antsiranana ny 5 ka hatramin’ny 10 septambra ho avy izao. Tapaka tamin’izany fa samy handray ny andraikitra tandrify azy ireo Ministera sy sampandraharaha rehetra voakasika amin’ny fanatanterahana io JMJ io mba hahatomombana azy. Notaterina ary natolotra ny Praiminisitra sy ireo mambra ao amin’ny Governemanta tamin’izao fihaonana izao koa ireo fehin-kevitra tapaka tamin’ny «Forum» ekônomika notanterahina tao Antsiranana. Samy nitondra fanazavana sy vahaolana mahakasika ny Ministera iadidiany avy ireo Minisitra. Ohatra amin’izany ny hahatongavan’ny “groupe électrogène” manana tanjaka 10 Mega Watts hanampy ny famatsian-jiro ny tanànan’Antsiranana. 
 
Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra DIANA, Bezara Romuald, fa fampiharana ny fitantanana manakaiky ny vahoaka ny fanatanterahana dinikasa any amin’ny faritra toy izao sady fihainoana mivantana ny hetahetan’izy ireo no fiaraha-mijery ny vahaolana mifandraika amin’izany. Nilaza ny Praiminisitra fa izay rehetra voaresaka nandritra ny fihaonana tany Antsiranana dia hohamafisina amin’ny filankevitry ny Governemanta. Hotanterahina any amin’ny Faritra hafa koa ny dinikasa ataon’ny Governemanta amin’ireo tomponandraiki-panjakana toy ity tany Antsiranana ity.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT