Lasa feno lamba avy sasana miahy eny amin’ny digy mihazo an’Ivato amin’izao.
Manomboka eny Anosipatrana ka hatreny Andohatapenaka izy io. Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia noho ny hamaroan’ireo renim-pianakaviana mivelona amin’ny asa fanasan-damba eny amin’ireo faritra voalaza ireo no antony. Eny amin’ny ranon’Ikopa mandalo eny Anosizato sy Ampasika ary Andohatapenaka ny ankamaroan’izy ireo no manasa lamba izay marihina fa misy 60 isa isa-maraina raha kely. Mitady toerana hanahazana ny lambany izy ireo ka eny amin’iny digy iny no hitany fa malalaka sy mora hamainana lamba. Raha kely mantsy dia lambana tokantrano iray hatrany amin’ny 40 isa isan’olona no sasan’izy ireo, miantoka ny sakafo haniny mandritra ny tontolo andro sy ireo kojakoja kely madinika toy ny saribao. Amin’ny ankapobeny, manimba ny endriky ny tanàna sady mety hampiverin-dalana ireo mpizahatany vahiny maniry handalo eto amintsika ny fisian’ireny tranga ireny. Tsy lazaina intsony ireo karazana loto sy gaboraraka maro samihafa izay tokony handraisana fanapahan-kevitra ihany satria mandalo amin’iny toerana ireo mpizahan-tany miditra eto Madagasikara ka manome sary sy endrika ratsy ho an’ny firenena io zava-misy io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.