Vokatry ny orana nikija nentin’ny rivodoza Fundi, dibo-drano tanteraka ny 80%-n’ny tanŕnan’i Toliara nanomboka ny zoma alina teo. Hatreny am-pandriana ny rano (an-tratra), am-balahana amin’ny arabe sasany. Tafakatra an’aliny ny vahoaka traboina amin’izao ora anoratanay izao, ka mila tolo-tanana haingana.
Vokatry ny fiakaran’ny rano diso tafahoatra, olona telo no maty, dimy ny naratra ary maherin’ny 5 786 ireo traboina. Trano sekoly 48 sy biraom-panjakana 24 rava, raha 9.532 ireo trano dibodrano. Io no tarehimarika vonjimaika azo omaly tolakandro, avy tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny lapan’ny faritany Toliara. Manomboka miverina ny famatsiana jiro sy rano, raha niaina tao anaty haizina sy tsy fisian-drano nandritra ny roa andro ny mponina.
Miaka-bidy ny PPN, 600 Ar ny kapoakan’ny vary
Niakatra avokoa ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ao Toliara tampon-tanàna. Mahatra 600 ariary ny kapoakan’ny vary, ifampitadiavana ny arina fandrehitra. Maro amin’ireo lalana no tapaka tsy azo ifamezivezena intsony, toy ny RN 9. Raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra matotra sy haingana ao anatin’ny fotoana fohy, dia mety am-bolana vao ho ritra ireo rano miandrona manomboka maimbo amin’izao, satria tsy tsentsina ny ankamaroan’ireo tata-drano ivoahan’ny rano mankany an-dranomasina, noho ny tsy fisian’ny fanadiovana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa efa antitra, ary manampy trotraka ny fanorenana trano sy fanotofana tany ambony lalan-drano
Ahiana hiparitahan’ny valanaretina
Raha ny zava-misy ao Toliara ao, ahiana hirongatra indray ny valanaretina, indrindra ny kolera vokatry ny fiparitahan’ny loto etsy sy eroa mameno tanàna maimbo amin’izao, rehefa mahazo vahana ny aretin’ny fitaovam-pisefoana, aretin-kibo, aretin-koditra (baibay amin’ny tongotra), ka lasibatra ny ankizy sy ireo olona marefo. Mampitaintain-dava ny mponina ihany koa ny fefiloha Fierenana. Raha sanatria vaky io “digue” io, faty olona mikararana nihoatra tamin’ny rivodoza Haruna no hitranga.
Légende:tsy tazana intsony fa dibo-drano tanteraka ny arabe ao Toliara
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.