Namoaka fanambarana ny avy amin’ny Diaspora Kristianina Malagasy na ny DKM, izay manana ny foibeny any Paris Frantsa manoloana ny toe-draharaha mafana sy ny olana mahazo ny firenena Malagasy amin’izao fotoana.
Hafatra sy fampaherezana ary fampisaintsainana miainga amin’ny teny ao anaty baiboly no mivoitra ao dia ny ao amin’ny Estera 8 :6 : « Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako » ; matio 12 :25 : « Hoy Jesosy, ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary tsy haharitra ny tanàna rehetra rehetra, na ny trano izay miady an-trano » ; I Korintianina 14 :40 : Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy filaminana » ; Salamo 144 :15 : « Sambatra ny firenena izay tahaka izany, Eny, sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny ». Salamo 97 :1-2/ 3 Jehovah no mpanjaka, aoka ho faly ny tany ; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. Rahona sy haizim-pito no manodidina azy, fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandrianany”. Salamo 89:14: “Rariny sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandriananareo. Famindram-po sy FAHAMARINANA no mialoha ny tavanao”. Mino izahay fa ireo tenin’Andriamanitra ireo araka ny maha Disapora Kristianina anay dia hiasa mahery ao amin’ny firenentsika amin’izao fotoana, hoy ny DKM. Andriamanitra dia marina ary izay mpanompo an’Andriamanitra dia tokony handeha amin’ny fahamarinana, ka ny Fiadanan’ny Tompo aminareo rehetra, hoy ny hafatra nosoniavin’ny Filohan’ny DKM Pasteur Docteur Raliterason Ravanona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.