Actualités

Dian’i Andry Rajoelina tany Toamasina Lanonam-panjakana sa raharahan’ny mpinamana ?


  • Talata 15 Febroary 2011

Nanaitra ihany ny fipetraky ny arofenitra nandritra ny lanonana fitokanana sy fametrahana ny vatofototry ny fanamboarana fotodrafitrasa tao Toamasina ny sabotsy 12 febroary teo, nidinan’i Andry Rajoelina mivady sy mpikambana vitsivitsy avy eo anivon’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny tetezamita, tany an-toerana.

Misy mpandraharaha hitanao mipetraka eny anelanelana ministra, toy izany koa ny talen’ny kabinetra any afovoamboan’ny olon’ny governemanta any, raha tsy hanamarika afa tsy ireo. Zavatra bitika ho an’ny sasany izany ary mety tsy hahoany akory nefa mahasarotiny ny hafa. Anisan’ny olona tena sarotiny amin’ny fanajana ny arofenitra eo amin’ny fanaovana lanonana ara-panjakana, ohatra i Said Kananaky, kaomisera efa misotro ronono. Ankehitriny moa izy dia mpampiofana an’ity resaka arofenitra ity eny anivon’ny Etamazaoro, ny mpitsara mpirakidraharaha sy eny amin’ny sampandraharaha fitakian-ketra sy ladoany ihany koa. Ka mipetraka ihany ny fanontaniana eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany hoe : lanonam-panjakana tokoa sa raharahan’ny mpinamanamana iny natao tao Toamasina iny ?

Jean D.
 
Sary : Fipetraky ny arofenitra nandritra ny dian’i Andry Rajoelina tao Toamasian ny sabotsy 12 febroary 2011

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT