Actualités

Dian-Hay Kintana vaovaon’ny Haikanto


  • Zoma 27 Febroary 2015

Vao teo amin’ny fahafito taonany i Dian-Hay dia efa nifoha tao anatiny ilay talenta niampy fitiavana amin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Nampivelatra sy nampitombo izany miandalana taty aorian’ny fidirany ho mpikambana teo anivon’ny Antoko mpihira. Anisan’ny tombony ho an’ity mpanakanto

 

 andriambavilanitra tanora ity ny fananana ilay feo feno angola sy mitaraindraina izay mahatakatra avo tokoa. Ankoatra ireo, manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana sy fandrindrana hira ary ny sehatry ny famoronana lamaody izay manavanana azy tanteraka ihany koa i Dian-Hay. Ampahany amin’ireo hira nohajariany ary efa maro mpankafy tao anatin’ny fotoana fohy ny «Ela gnela», taokanto azo avy amin’ny fanakambanana ny gadona «Mangaliba » sy ny ban-kira avy atsy Afrika atsimo sy ny «Ampela soa tsy lany» samy efa vita rindran-tsary avokoa. Sehatrasany ho amin’ity taona ity ny famoahana ny kapila mangirana sy ny fiakarana an-tsehatra izay hotontosaina anatin’ny fomba fiasa matihanina. Ny fikarakarana sakafo no fialam-boliny ary tsy hadinony mandrakariva ny manankina ny fiainany sy ny ankohonany amin-Janahary.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT