Actualités

DGI sy SAMIFIN Hanakana ny vola maloto tsy hivezivezy


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Omaly talata 17 jolay tetsy amin’ny biraon’ny SAMIFIN Ankasina no nanaovana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra (DGI) sy ny sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bolan’ny fampihorohoroana.

 

Araka izany dia hiaraka sy hifanome tanana hiady amin’ny famotsiam-bola sy ny kolikoly izy ireo. Mbola maro ihany koa mantsy ny tranga misy amin’ny fanaovana hosoka ho fialana amin’ny fandoavan-ketra. Ny tombony azon’ny olona manao izany hosoka izany matetika no ampandalovina amin’ny endrika famotsiam-bola, hoy ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN, Andriamatoa Lamina Boto Tsara Dia. Mifamatotra sy mifampitohy ny asan’ny DGI sy SAMIFIN ary tanjona iombonana ny tsy ivezivezen’ny vola maloto amin’ny toekarena ary mba hiverenan’izany ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana hoentina amin’ny fampandrosoana. Nanambara mihitsy moa ny Tale Jeneralin’ny Hetra, Atoa Razafindrakoto Louri Garisse fa nanomboka tamin’ity taona ity dia efa misy mihitsy rantsana manokana miandraikitra sy manao ny fikarohana ary mijery ireo tsy manara-dalàna amin’ny sehatra ara-bola. Mbola mainka hanamafy izany izao fiarahana amin’ny SAMIFIN izao satria fantatra fa ity farany no manam-baovao maro amin’ny sehatra fampiasana ny vola mivezivezy.  Atao ihany koa izao fiaraha-miasa izao mba ho fangaraharan’ny fandraharahana mba ho tombony hatrany ho an’ny firenena. Ny tsy fandoavan-ketra sy ny fandikan-dalàna amin’ny fampiasana vola maloto dia samy mamotika ny toekarena. Ireo ezaka ifandrimbonana sy ny fifanakalozana vaovao amin’ireo sampan-draharaha roa ireo dia hanatsara ny fanadiovana ny vola mivezivezy, hampihena ny kolikoly sy ny fanodinkodinana ny volam-panjakana ary hiteraka fampandrosoana.

Tsiry


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT