Malaza indray ankehitriny fa hovonjivonjena ny fananganana ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice), rafi-pitsarana afaka mitsara ny filoha, izay tokony ho natsangana herintaona taorian’ny fianianany.
Azon’ny solombavambahoaka henjehina sy haongana amin’ny alalan’ny fitoriana eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny filoha rehefa tsy vitany izany. Anisan’ny efa nanamafy izany ny mpahay lalàna sady Filohan’ny antenimierandoholona teo aloha Honoré Rakotomanana, izay nilaza tamin’ny filoha hoe raha sanatrian’ny vava ka tsy tafatsangana io, dia azon’ny olona hanaovana fangatahana fanonganana ianao. Famadihana sy fanitsakitsahana matetika ny lalàmpanorenana no vesatra hanenjehana ny filoha amin’io. Nalaza ny valin-kafatry ny depioten’ny fanovana omaly fa tsy misy fiantraikany amin’ny fitoriana sy ny fitakiana ny fialan’ny filoha io tetika hananganana ny HCJ io. Inona no tanjona amin’ny fikoropahana hanangana an’io ? Hiala bala ve ny HCC ka hanipy ny baolina any raha vao mitsangana io ? Maro be ny mpahay lalàna nanontaniana hoe mba jereo ity fitoriana nataonay ity, fa tsy nisy niteny na iray aza hoe tsy mety io, eny fa hatramin’ny mpahay lalàna vahiny, hoy ny depiote sady mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Ny zavatra nalefa tany amin’ny HCC dia mitombina avokoa, ka tsy misy antony tsy hamoahan’ny HCC ny didy fanesorana ny filoha, raha ny fanazavana hatrany. Dokotera aorian’ny fahafatesana izany fananganana ny HCJ izany, hoy ny depiote Tinoka Roberto. Misy moa ny resaka famoriam-bahoaka hataon’ny HVM eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy izao, ka volabe 1,4 miliara ariary no laniana amin’io ary volam-panjakana, hoy ny depioten’ny fanovana. Nambara mihitsy aza fa tao amin’ny minisiteran’ny atitany no anisan’ny nakana volabe. Aza adinoina fa rehefa tonga ny minisitry ny fanovana tsy maintsy hampanao “audit” na fanadihadiana ara-bola lalina, ka io HCJ hatsanganareo amin’ny zoma io raha voatsanganareo no hitsarana anareo voalohany, hoy kosa ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Nitohy hatrany moa ny “sit-in” teny amin’ny HCC omaly, ka nilazan’ny depiote fa tompon’andraikitra feno io rafi-pitsarana io satria na hampijanona ny krizy sy ny hatezeram-bahoaka na hampirehitra afo. Mitohy ny tantara !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.