Actualités

Depiote Ramandimbiarisoa Félix Namaha ny olan’ny EPP Anosizato Atsinanana I


  • Alarobia 14 Mey 2014

Tonga namaly ny antson’ireo mpampianatra FRAM ao amin’ny EPP Anosizato Atsinanana I izay tsy nandray karama nanomboka ny volana febroary hatramin’ny aprily 2014 ny solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao amin’ny Boriborintany fahefatra Ramandimbiarisoa Félix niaraka tamin’ireo mpiray lisitra aminy.

 Efa tsy nisy fampianarana intsony tao amin’ny sekoly nanomboka ny zoma 09 mey lasa teo. Tsy rariny raha mihatra any amin’ireo ray aman-dreny sy ny ankizy izay efa nahaloa ny saram-pianarana sy ny kojakoja ilaina amin’ny fampandehanana ny fampianarana ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny komity FRAM, hoy ny tenany. Taorian’ny fifampidinihana niaraka tamin’ny fanampiana mitentina iray tapitrisa Ariary avy amin’ny depiote sy ny fikaroham-bola nataon’ny filohan’ny FRAM moa dia nanaiky ny hiverina hampianatra avy hatrany ireto mpampianatra FRAM miisa 11 miampy mpiasam-panjakana iray. Resy lahatra rahateo ireto farany tamin’ny tsipiteny nataon’ny solombavambahoaka ny amin’ny tsy tokony hanapahana ny fampianarana amin’izao ankatoky ny fanadinam-panjakana izao. Vahaolana vonjimaika sy kely dia kely ihany io voatsirambin’ny tanana io, hoy ny solombavambahoakan’ny Boriborintany fahefatra fa ny fanafainganana ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM no tena vahaolana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT