Mampikolay tanteraka ny fahatapahan-jiro sy rano etsy sy eroa.
Eo ny fitanisana olana ara-teknika maro samihafa toy ny nilazana omaly fa misy fahasimbana ny « disjoncteur » mitondra herinaratra mahery vaika 63kv ao Ambohimanambola mamatsy ny « sous-station » Ambodivona. Tahaka izany ihany koa ny nilazana fa miato ny zotra avy any Andekaleka noho ny fahasimbana nateraky ny kotroka,… Na izany aza, mampanahy ihany ny zava-misy hoe : tena olana teknika tokoa sa tena ambadika politika ? Isan’ny serasera nampiahiahy izao ny nilazan’ny Jirama ny faran’ny herinandro teo fa ritra ireo renirano ka miteraka olana amin’ny famatsiana rano sy ampiasana ny kamio mamatsy ireo faritra mena. Ny APIPA (Autorite pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo) anefa namoaka ny 25 desambra fa miakatra ireo renirano, ka i Sisaony ohatra, dia 1,32 eo amin’ny mari-drefin’Andramasina, nisy fiarakana 0,20m raha ny serasera tamin’io. Ikopa 1,93m teo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola, ary nisy fiakarana 0,01m,… Ho an’ny famatsiana rano iny, fa ho an’ny resaka herinaratra, dia isan’ny nambara kosa ny faran’ny herinandro fa noho ny oram-be no isan’ny olana. Eo dia efa misy fifanipahana. Na izany aza, ao anatin’ny fotoanan’ny orana no tokony hatanjaka ny tosiky ny rano, izany hoe : miakatra ny famokarana any Andekaleka ? Tena izany ve ny zavatra mitranga ? Tsy misy ve ny tsindry ho an’ny « agent de barrage » any Andekaleka mba hanariana ny rano amin’izay tsy miakatra ny tosiky ny rano izay mampiakatra ny famokarana ? Kisendrasendra ve ny fahasimbana misesy tanisaina avy amin’ny fitarihana ny herinaratra avy any Andekaleka ?
TAKALON’AINA
Ny lojika teknika, rehefa miakatra sy araka ny tokony ho izy ny famokarana avy any Andekaleka dia mihena ny famokarana avy amin’ny solika izay mandany vola be kokoa. Amin’izao fotoana izao, ny vahiny no mifehy ny resaka angovo eto, manao ny mafana sy ny mangatsiaka tahaka io atao amin’ny famatsiana ny entana ilaina andavanandro na PPN io, ny solika,…. Tsy vao sambany fa hatramin’ny tompon’andraikitra tahaka ny Minisitry ny angovo sy akoran’afo teo aloha aza nilaza fa tena misy mafia eo anivon’ny Jirama. Mety ireo ambarany fa manao sabotazy ny Jirama no nambarany teo, fa misy ihany koa anefa ny manao takalon’aina an’io ho an’ny tombotsoany. Efa nilaza mihitsy ohatra, ny Minisitra Andry Ramaroson fony mbola teo, fa mila havaozina ireo fifanarahana maro satria raha 45MW ohatra no ao anaty fifanarahana sy aloa vola dia misy afatsy 20MW no avoakan’ireo mpandraharaha,… Manodidina ny 300 hatramin’ny 500 miliara Ar isan-taona no vola hanohanana ny Jirama kanefa mbola izao no mitranga. Tena tsy azo harenina sa misy vondron’olona matanjaka manao takalon’aina izay mety manana dian-tànana amin’ny fametrahana mpitondra ka tsy azo atao na inona na inona ?
POTIKA NY FIHARIANA SY NY TOEKARENA
Mbola ny 15 hatramin’ny 20% amin’ny tokantrano Malagasy no misitraka herinaratra. Ny vahoaka madinika tambazana jiron’akoho dia milamina, fa ireo sokajin’olona manana fihariana miankina amin’ny herinaratra lasibatra tanteraka, ahetry ny sokajy antenantenany na « classe moyenne » izay mety efa vitsy raha tarafina amin’ilay tahan’ny fahantrana 80,7% ? Na io resaka jiro zaraina io aza mbola mampiahiahy ny famadihana azy ho tombotsoan’antoko. Famatsiam-bola 40 tapitrisa dolara avy amin’ny mpiara-miombon’antoka io ka nadio ve ny tsenambaro-panjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.