Actualités

Dadagaby Efa mba misy fivoarany ny toe-pahasalamany


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Herinandro katroka anio sabotsy 25 mey no nidiran-dRakotomavo Gabriel na i Dadagaby, filoha mpanorina ny tarika Voninavoko tao amin’ny sampana fameloman’aina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

  Nambaran’i  Christian zanany fa efa nahitana fivoarany kely ny toe-pahasalamany fa tsy ohatra ny teo aloha intsony. Efa mahatsiaro tena i Dadagaby saingy tsy mahalala olona kosa. Mbola mijanona ao amin’ny sampana fameloman’aina hatrany ity mpanakanto sady raiamandreny ity izay marihina fa efa 83 taona ankehitriny. Ny vidim-panafody hitsaboana an’i Dadagaby no tena vesatra mafy  ho an’ireo fianakaviany amin’izao. Misy amin’ireo fanafody mantsy no tena lafo nefa tsy azo tapahina ihany koa. Raha tsiahivina, ilay  aretin’ny tosidra izay efa nitarika ny ilan’i Dadagaby  halemy  ity mbola mitohy mamely  azy  ity. Mbola nianjera tao an-tranony indray izy  ny talata lasa teo, antony tsy maintsy nampidirana azy hopitaly. Efa  nisy ihany ireo olona tsara sitrapo tonga nanatitra fanampiana ho an’i Dadagaby, nisy ihany koa ireo mbola nampanantena fotsiny. Ny laharam-pinday 034 76 722 83 no hahafahana mifandray mivantana amin’ireo fianakaviany, ho an’izay terem-panahy hanolotra fanampiana ho azy.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT