Fanariana an-tsitrapo ny fiandrianam-pirenena ny lalàna momba ny Faritra Ekonomika Manokana (ZES),
izay nandalo dingana samihafa fandavana avy amin’ny rafitra samihafa na fandavana tena amin’ny fo na natosiky ny fanararaotana, dia neken’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, taorian’ny fanovana teboka vitsivitsy izay nokianin’io rafi-panjakana io, hoy ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena - CRAAD-OI sy Fikambanana TANY. Ny fanambarana fa azo hampiharina io lalàna io (promulgation), izay toy ny tso-drano omen’ny filoham-pirenena no dingana farany, alohan’ny fanekena tanteraka ilay lalàna. Maniry ny tsy hankatoavana azy ireo fikambanana ireo. Azon’ny rehetra jerena sy takarina ao amin’ny tranonkalan’ny Antenimieram-pirenena moa ny endriny farany nanoratana io lalàna io, izay mitondra ny laharana 2017-023. Hevitra iray hoentin’izy ireo ny hoe : tsy manova na inona na inona amin’ny maha loza mihantona io lalàna io ho an’ny fahaverezan’ny foto-piveloman’ny mponina, izay voatery handao ny fananany tany sy ny fahafahany mampiasa izany, ho an’ny tombontsoan’ny ZES, ka ny andininy faha-6 dia mametra manomboka izao ny velarantany farany ambany ho an’ny ZES ho 100 hektara. Tsy mbola miresaka mihitsy kosa ny fetra farany ambonin’ny velaran-tanin’ny ZES ny lalàna. Amin’izao dingana misy ny adihevitra momba ny lalàna mikasika ny Faritra Ekonomika Manokana izao, dia tsindrianay mafy fa mbola azo atao tsara ny mampitsahatra io firotsahana an-tsitrapo amin’ny satan’ny tany voazanaka io, hoy hatrany izy ireo. Anisan’ny endrika iray isehoan’ny fampandrosoana ara-toekarena ny ZES, ary firenena maro no nampihatra azy io. Ho an’ny eto amintsika, mila faritana mazava ny tombontsoa tena ho an’ny tanindrazana sy ny tambiny samihafa ho an’ny firenena ary io no heverina ho tsy mazava sy ilana fanadihadiana ara-piarahamonina lehibe mialoha ny hampiharana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.