Nitondra fanazavana teo anatrehan’ny mpanao gazety omaly Andriamatoa Mujeeb Ahmad, misionera misahana ny fikambanana musulman Ahmadyya etsy Andavamba izay sady sekolim-pinoana, niaraka tamin’ny talen-tsekoly vaovao Razaiarinoro Andriamanana Tsiry
. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy misy resaka fanaovana tsindry hazo lena ny teratany Malagasy ny olana nitranga tao an-toerana ny herinandro lasa teo izay voatery niantsoana mpitandro ny filaminana. Vokatry ny olana ara-bola nitranga efa ho dimy taona izao no nambaran’izy ireo fa anton’izany, fotoana nandraisan’ilay talen-tsekoly teo aloha ny fitantanana. Tsy nety nanao kaonty mazava tamin’ireo karana mihitsy mantsy ilay talen-tsekoly raha araka ny voalaza nefa misy amin’ireo mpianatra no efa mandoa saram-pianarana hatrany amin’ny volana aprily raha tara kosa ny an’ny sasany. Voatery nanala ilay talen-tsekoly, araka izany, ireo karana ireo, ary mbola mandinika na hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana na tsia. Na izany aza anefa dia efa niverina nianatra avokoa ny mpianatra, eny fa na dia ireo nikasa ny hanaraka ilay talen-tsekoly teo aloha aza. Nomarihin’ireo mpampianatra 11 ao an-toerana moa fa tsy niray tsikombakomba tamin’io talen-tsekoly teo aloha io izy ireo tamin’ny fotoana nanaovana ny fikomiana fa mbola nanohy ny fampianarana hatrany, antony nampikatona ny varavaran-tsekoly sasany tamin’iny fotoana iny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.