Actualités

“College Etienne Flacourt” TOLIARA Zanaka Karana nisy naka an-keriny


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Tsy eto an-drenivohitra ihany no misy sy ahitana fakana an-keriny teratany karana. Omaly, tovolahy 15 taona teratany karana mpianatry ny « college français Etienne Flacourt » ao Toliara, no nisy naka an-keriny, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany, tsy lavitra ny trano fianarany ao Tanambao Morafeno. Raha ny vaovao voaray,

 

 

 avy nianatra handeha hody niaraka tamin’ny anabaviny ity zazalahy ity no nisy efa-dahy nirongo basy niaraka tamin’ny fiara 405 miloko manga nanakana azy teny an-dalana, ary naka an-keriny ity zazalahy karana ity. Tsy afaka nanao na inona na inona ny anabaviny nanaloana ireo mpaka an-keriny nirongo basy. Hany heriny nikiakiaka niantso vonjy, nefa ny fiara efa nirifatra nandositra. Raha ny fampitam-baovaon’ny polisy ao Toliara, dia ny andro omaly io ihany navelan’ireo mpaka an-keriny tany Tsianaka Betsingilo, Atsinanan’ny tanànan’i Toliara ilay fiara nentin’izy ireo. Amin’izao ora anoratanay izao (18h30), mbola tsy votsotra ilay zaza ary mitohy ny fikarohana, hoy ny avy ao amin’ny polisy. Amin’ity raharaha kindnapping ao Toliara ity, dia mananosarotra ny fahazoam-baovao.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT