Nifarana omaly alahady ny FIA (Foire Internationale de l’Agriculture) eny Tanjombato. Anisan’ireo nandray anjara teny an-toerana ny CNaPS .
Maro ny olona no mbola matahotra miditra birao. Ao koa ireo tsy manam-potoana hanatonana ny biraon’ny CNaPS ka nahatonga ny Tahirim-pirenena hanatona azy ireo amin’ny alalan’ny tranoheva nandritra ity hetsika ity. Nahatratra 70 ireo olona voakarakara ny andro fahatelo ka 50 tamin’ireo no naka torohevitra, 3 nanatitra taratasy, 2 naka taratasy fangatahana volan’ny bevohoka, 40 nijery ny kaontiny, tao koa ireo naka taratasy momba ny fisotroan-dronono. Ny fihaonan’ny olona mivantana tamin’ny mpiasan’ny CNaPS dia namaha olana maro, indrindra ireo andavanandron’ny mpiasa. Araka ny fitarainan’i Mama Rasoa, anisan’ny naka torohevitra teo amin’ny tranohevan’ny CNaPS dia misy orinasa tsy manara-dalàna tsy mampiditra ny mpiasany horaisin-tanana ao amin’ny CNaPS. Ary milaza fa hoe karama efa kely io ve dia mbola hanesorana vola atao latsakemboka ihany. Vao miha olana anefa izay rehefa maratra tampoka am-perinasa na marary ilay mpiasa satria tsy misy rafitra ara-dalàna hikarakarana azy. Araka ny lalàna velona dia adidin’ny mpampiasa ny fampidirana ny mpiasa rehetra ho mpikambana CNaPS ary ny fanefana ny latsakemboka mifandraika amin’izany. Tompon’andraikitra koa ny mpiasa amin’ny fanaraha-maso ny kaontiny na koa amin’ny alalan’ny www.cnaps.mg rehefa nahazo ny teny miafina eny anivon’ny biraon’ny CNaPS.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.