Actualités

CNaPS – FLM Nidina tany Betroka nanofana momba ny fiahiana ara-tsosialy


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Nahazo fampiofanana avy amin'ny CNaPS ireo lehiben’ny sampandraharaha maro ny FLM Betroka. Taorian'ny fifanaraham-panaovan-tsonia teo amin'i Dr Rakotonirina David,

 filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy andriamatoa Raoul Arizaka Rabekoto tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS, ny 9 oktobra lasa teo dia tontosa tao amin'ny Synodam-paritry ny FLM Tranovato Andriry Betroka tamin'ny talata 15 sy ny alarobia 16 mey lasa teo ny fiofanana ho an'ny Synodam-paritra  faha-12 amin'ireo synodam-paritra 24-n’ny FLM  misy eto Madagasikara. 13 sisa ireo no tsy  nahavitana fiofanana. Ho an'ny Synodam-paritra Andriry Betroka dia  50 ireo mpiofana ary telo no tsy tonga.  Izay avy amin'ny Fileovana 5, Sampandraharaha 8, ary Sampa-pitantanana miisa 5. Ireo mpiofana ireo dia nahitana talen-tsekoly, mpitantam-bola, mpahay lalàna, Pasitora, Evanjelista, katekista, Teolojiana vehivavy, Mpampianatra, ary mpiandry tanàna, sy mpitantan-draharaha. Nambaran’Atoa Rakotomila talen’ny fitantanana CNaPS fa : "notanterahana teo amin'ny synodam-paritany  ny Andriry Betroka ny fiofanana taorian’ny fifanaraham-piaraha-miasa.  Vokatry ny fahatsapana fa mbola ambany dia ambany tokoa ny misitraka ny fiahiana ara-tsosialy ato anatin’ny fianakaviambe FLM ka noho izany dia tsy nataon'ny CNaPS ambanin-javatra ny fandehanana aty amin'ny faritra Betroka". Mbola nohamafisin'ny talen-tsekoly taorian'ny fiofanana izay natolotry ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy fa anisan’ny tena resy lahatra ny tenany ka  ezahina hampidirina amin'ity taona ity ireo mpampianatra mbola tsy tafiditra farafahatarany ao anatin'ny roa volana satria dia izay no tanjon'ny Loterana. Izany hoe ny hidiran'ny mpiasa raikitra rehetra ho mpikambana eo anivon'ny CNaPS mba hisitrahan'izy ireo ny zony.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT