Actualités

CNaPS – EEM Natomboka tany Antsiranana ny fiofanana


  • Alarobia 13 Jona 2018

Taorian’ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona filohan’ny foibe Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) sy andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneralin’ny CNaPS dia nidina avy hatrany tany amin’ny Diosezin’Antsiranana ny EEM foibe sy ny CNaPS foibe.

Anton-dia ny fanomezana fiofanana ireo tompon’andraikitry ny fiangonana Anglikana izay nahatratra 37 mianadahy. Nanomboka ny alakamisy 7 ary nifarana ny zoma 8 jona 2018 lasa teo ny atrikasa izay natao tao amin’ny Katedraly Santa Matio Antsiranana ho an’ireo mpiasan’ny fiangonana anglikana notarihin’ny Mgr Théophile Botomazava Eveka Diosezin’Antsiranana. Ara-tantara dia ny fiangonana Anglikanina no nanomboka ny fiahiana ara-tsosialy teto Madagasikara; ho fanohizana sy fanatsarana izany izao ataon’ny CNaPS izao hoy Ramatoa Jeanine Rakoto-Ramiarantsoa.“Tsy vesatra velively ho an’ny mpampiasa akory ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tantanany fa soa atao hofampandrosoana ny asa”, hoy  hatrany ity talen’ny fifandraisana eo anivon’ny CNaPS ity. Vontoatin’ny fiofanana ny fampahafantarana ireo fanampiana telo omen’ny CNaPS : fanampiana ny fianakaviana, fandraisana an-tanana ny saran’ny fitsaboana ho an’ireo mpiasa tra-doza teo am-perinasa ary ny fisotroan-dronono. Notanisain-dRamatoa  Riziky Abdou mpisolo toerana ny talen’ny masoivohon’ny  CNaPS Antsiranana avy eo ireo ezaka vitan’ny CNaPS: “nanomboka ny taona 2016 dia nisondrotra hatrany  manaraka ny fisondrotan’ny karama farany ambany ny volan-jaza  ka raha 2 000 ariary izany tany aloha dia lasa 5 000 ariary isan-jaza isam-bolana ankehitriny.” Ho an’ny Révérend Jocelyn Ralambomanana Tonian’ny foibe Anglikana eto Madagasikarafa kosa dia  “zava-dehibe ho azy ireo ny fanofanana satria anisan’ny fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny maha fampirisihina ny mpiasa hanao ny tsaratsara kokoa ny asany”.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT