Actualités

Club Nautique Ivato


  • Talata 22 Aprily 2014

Be no diso fanantenana

 Tsy tambo nisaina toy ny isan-taona raha ny hetsika fanamarihana ny alatsinain’ny Paska 2014 andro fitsangantsanganana sy fialamboly teto Antananarivo sy ny manodidina. Feno hipoka toy ny mahazatra ny tetsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo sy teny amin’ny Park Tsimbazaza. Tonga maro ny mpijery rindran-kira tao Antsahamanitra, ANS Ampefiloha, Coliseum Antsonjombe,  Batou Beach Ambohimanambola. Nandiso fanantenana ireo mpitsangantsangana maro kosa ny teny amin’ny Club Nautique Ivato. Nahatsiaro voafitaka izy ireo satria tsy nahita akory ireo mpanakanto natao dokambarotra fatratra noho izy ireo efa maty masoandro vao tonga teny an-toerana. Ny tahaka izany no nisafidianan’ny maro nanala azy tsotsotra niaraka tamin’ny fianakaviana teny amin’ny By Pass, na dia naka olona indray aza ny ranon’Ikopa teny akaikin’ny Le Hintsy teny. Tsy vitsy koa ireo nihazo ireo lalam-pirenena misy alokaloka azo nifamotoanana fotsiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT