Actualités

Clean air day IV” Hankalazaina miaraka amin’ny Andron’ny tontolo iainana


  • Talata 27 Mey 2014

Miditra amin’ny andiany fahefatra ankehitriny ny hetsika “Clean Air Day” na “Andron’ny rivotra madio”, izay fanaon’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe.

 Ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana no hifanindran-dalana amin’izany, izay hiarahana amin’ny Sampandraharan’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala ny alarobia 4 jona sy alakamisy 5 jona 2014 izao. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Rakotomalala Oelinjanahary Olivier, lefitra faharoan’ny PDS Antsirabe sady tompon’andraikitry ny tontolo iainana dia niniana nampiarahina amin’io andro iraisam-pirenena io ity hetsika ity. Mahakasika ny rehetra mantsy ny fiarovana ny tontolo iainana, ka ny rehetra no tokony hifanome tanana amin’io hetsika io. Tanjona eto ny hampihenana ny tahan’ny etona CO2 izay aparitaky ny mponina na dia mba kely fotsiny aza, toy ny fampihenana arak’izay azo atao ny fampiasana ireo fitaovana rehetra mamoaka setroka ny zoma 5 jona tapany maraina. Ao koa ny tsy fampiasana fiara aloha, ankoatry ny fiara mpitatitra na ireo fiara tsy maintsy handalo ny tanàna, izay efa misy ny saina maitso hozaraina amin’izy ireo. Eo koa ny fametrahan’ny orinasa tsy maintsy hiasa izany saina maitso izany eny amin’ireny orinasa ireny. Hanombohana ny hetsika kosa ny marainan’io andro io ny diabe izay hiarahan’ny rehetra mamakivaky ny tanànan’Antsirabe.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT